“Certificat de nationalité” an’ny filoha Rajoelina: manaitra ireo mpitsara ny loholona Rakotondrainibe

Nohitsin’ny loholona, Rakotondrainibe Michel na i Ndriana fa nanitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena ny filoha Rajoelina. Nanairany ireo mpi­tsara izany amin’izao fotoana fohy hivoahan’ny fanapahan-kevitry ny fitsarana izao mo­mba ny fizakan’ny filoha ny zom-pirenena Frantsay. “Hotsarain’ny tantara ianareo hanao sonia ny «certificat de nationalité malagasy»-n’ny filohan’ny Repoblika”, hoy izy. Nanteriny fa tsy matahotra ny firotsahany ho kandidà ny MMM ary afaka mirotsaka hofidina ho filoham-pirenena tokoa izy raha avela hilatsaka filoham-pirenena eto ny teratany Frantsay na vahiny hafa, araka ny nambarany.
Notsindrin’ity loholona ity fa tsy misy ady hevitra intsony izany ary efa mazava ny voarakitra ao amin’ny “Code de la nationalité”.
Notsiahivina fa firenena efa nanjanaka, niadiana sy notoherin’ireo ray aman-dreny tia tanindrazana i Frantsa. Namoizana aina maro, niady ho an’ny fahaleovantena sy ny fahafahana, nandritra ny 64 taona izany. “Ny filoham-pirenena, mpitarika indray no naka an-tsitrapo sy manana ny zom-pirenen’izany firenena nanjanaka izany”, hoy izy. Mazava ny an’ny MMM fa tsy azo heverina ny fahafahan’ny filoha Rajoelina hirotsaka ho fidina amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy io. “Tsy midika ho tahotra izany fa fampiharana ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny firenena”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: