Sekoly tsy miankina : mbola marisarisa ny fisoratana anarana

«Tapa-bolana mialoha ny 4 septambra, tetiandro hisantarana ny taom-pianarana 2023-2024, mbola marisarisa ny fisoratana anarana eny amin’ ny sekoly tsy miankina amin’ ny fanjakana», hoy ny mpitondra tenin’ny Vovonan’ ny sekoly tsy miankina eto Mada­ga­sikara, Rakotomalala Célin, omaly. Amin’ny sekoly iray eny Itaosy, mpianatra 20 no namandrika toerana fa hanaraka fampianarana ao aminy ho an’ity taom-pianarana ity nefa manana “préscolaire” hatramin’ny kilasy fahatelo io sekoly io.
Lafo ny fitaovam-pianarana ka izay no tena sakana ho an’ny ray aman-dreny. Aleon’izy ireo misakafo ka velona ny zanany toy izay voky fanabeazana nefa mitsipozipozy, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo ray aman-dreny. Ny sehatra miankina amin’ny fanjakana hizarana fitaovana ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga fototra fa mizaka ny fidangan’ny fitaovana kosa ny sehatra tsy miankina.

Nisongadina koa fa lasa mitodika amin’ny sekoly tsy miankina ny ray aman-dreny satria azo hifampiraharahana ny talen-tsekoly. Raha ma­nan-janaka efatra ny fianakaviana iray, tokony hiditra an-dakilasy, ny telo ihany no hefaina ny vola rehetra takiana fa ny fahefatra mianatra maimaimpoana aloha.

Sahiran-tsaina koa ny talen-tsekoly satria mivelona amin’ny vola raisina avy amin’ ny ray aman-dreny ny fampianarana ao aminy.

Vonjy A.

Partager sur: