Miditra amin’ny herinandro faharoa ny hetsika «Salon des jeux de sociéte», eny amin’ny Alliance française (Aft) Andavamamba. Fifaninana amina sehatra maro no handrafitra ny fandaharam-potoana amin’ity herinandro ity. Raha tsiahivina, ny 19 aogositra 2023 no hifarana ity hetsika ity, fotoana hanolorana ny loka ho an’ny mpandresy isaky ny karazany avy ihany koa.Fiaraha-miasan’ny ivontoerana kolontsaina samihafa, miaraka amin’ny fikambanan’ny mpisehatra eo amin’ny kilalaon-tsaina maro isaky ny karazany avy, no mikarakara izany. Ny fifaninanana teo amin’ny “Dame”, “Go”, “Loup Garou”, “Yu gi oh Duel”, “Strikes”, “Mario Kart” no nande teny amin’ny Aft tamin’ny andron’ny omaly. Ny eo amin’ ny “Echecs”, “Super Smash” kosa no mizotra eny an-toerana amin’ity anio ity. Ho an’ny rahampitso kosa, “Scrabble”, “Belote” ary “Super Smash” no ho hita eny. Misokatra ho an’ny rehetra, amin’ny alalan’ny fisoratana anarana, ny fifaninanana rehetra.
Ankoatry ny fifaninanana, nampahafantarina teny amin’ny Aft Andavamamba koa ny “Lamako”, kilalaon-tsaina malagasy, natao hitondrana anao hitety an’i Madagasikara sy ny kolontsaina misy eto an-toerana.
Lin M.