Nanao atrikasa mikasika ny fanodinana sy fandrariana ny akora eo ampelatanana ho lasa haingo sy zavatra azo ampiasaina indray ireo ankizy sy tanora mipetraka etsy amin’ny Akany Iarivo Mivoy, Anosizato. Niarahana tamin’ny ekipan’ny “Art et Culture (AEC)” izany.
Nahafahan’ireo ankohonana ao an-toerana nisitraka fiofanana momba ny fikirakirana akora plastika rariana. Hanehoana ny talenta sy hiangaliana hahatonga ny zava-bita ho zavatra tsara sy kanto ny fotoana niarahana.
Famohazana talenta, fitrandrahana ny fahaiza-manao ary ahafahana mitady fivelomana sy lalam-barotra any aoriana ihany koa anefa ny atrikasa toy izao, hoy ireo mpisitraka.
Ny hakingan’ny tanana sy ny saina tia karokaroka no miaraka mba hahalavorary ny asa tanana ka hamokarana zavatra iray mahaliana.
Marihina fa akany sahanin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, hibeazan’ireo ankizy zanaky ny tsy manan-kialofana, ny Akany Iarivo Mivoy. Manaraka fiofanana hatrany ireo olona ao, ahafahany manana fivelomana sy miahy tena ary mahaleo tena any aoriana.
Beazina sy volavolaina ihany koa ireo olona marefo ao amin’ny akany ho tonga olom-banona sy hitondra fampandrosoana eny anivon’ny fiarahamonina.
Tatiana A