Kaominina Antananarivo Renivohitra: nankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny kabone

Nankalaizana omaly 19 Novambra 2022 ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny kabone ho antsika teto Antananarivo. Nanao fandokoana faobe ireo kabone miloko mavo sy manga eto amin’ny boriborintany enina ny teo anivon’ny fitaleavana ny rano, fidiovana ary ny fanadiovana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanan’ny dioviko  Iarivo.

Nosantarina izany ny kabone tetsy akaiky ny kaomisaria Analakely, tamin’ny 09 ora maraina.

Ankoatra ny fandokoana kabone, hisy fanentanana ihany koa ho an’ny mponina eny anivon’ny fokontany vitsivitsy eto Antananarivo renivohitra, izay mbola ao anatin’ny fandaminana. Toy  ny fanaovana “vidange” faobe natokana ho an’ ireo tsy manana fahafahana hanao izany.

Tanjon’ny hetsika ny  hanentanana ireo vahoaka hampiasa kabone fa tsy hangery sy hipipy eny an-kalamanjana rehetra eny. Eo koa ny hanentanana  azy ireo mba hikolokolo ny kabone ananany.“Tsy andrasana feno be vao esorina ny tay fa miteraka olana sy aretina eny anivon’ny fiarahamonina”, hoy ny fanazavan’ny talen’ny rano sy fidiovana ary ny fanadiovana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. « Misy ny sazy mihatra ho an’ ireo olona tratra  manaparitaka tay eny an-kalamanjana rehetra eny », hoy hatrany ny fanazavany. Hatreto aloha, ny fanentanana sy ny fampianarana ny olona no atao, vao mampihatra ny sazy.

“Fanadiovana tsara tantana, tahirin-drano voaro, madio sy maharitra”, ny lohahevitry ny fankalazana. Maharitra iray volana eo ity hetsika ity ho antsika eto Antananarivo renivohitra. Misy ihany koa ny hetsika ho an’ny any amin’ny faritra hafa eto amin’ny Nosy.

Mino ( Mpianatra asa)

Partager sur: