Filoha Rajoelina tany atsimo : “Miroso isika ary tsy misy hahasakana izany”

Nambaran’ny filoha Rajoelina amin’izao fitsidihany ny any atsimon’ny Nosy izao ny fampandrosoana tanterahin’ny fanjakana. Mazava ny lahateniny tamin’ireo vahoaka tany an-toerana.

“Azontsika atao tsara ny manorina, ny ma­nangana, ny ma­nam­boatra, ny mandroso na inona olana eo amin’ny fiainantsika. Tsy mahasakana antsika izany fa tsy maintsy miroso isika ho fampandrosoana an’i Madagasikara”, hoy izy, tamin’ny fitokanana ny fahavitan’ny lalam-pirenena RN-9, omaly. Nankasi­trahany ireo vahoaka tonga marobe avy amin’ny toerana lavitra ka nandeha an-tongotra. Midika fitiavana izany, araka ny nambarany. Nan­teriny fa mbola manosika azy hampandroso ity firenena ity izany rehetra izany. Betsaka ny asa tsy maintsy mbola hatao. Betsaka koa ny famatsiam-bola hitantsika noho ny fahatokisan’ireo mpamatsy vola antsika, araka ny nambarany. Nanteriny fa tsy tongatonga ho azy ny nanomezana azy ilay loka “Grand Bâtis­seur”. Voalohany isika aty Afrika manoloana an’ireo filoham-pirenena ma­ro­be. Na­hazo izany isika ha­nama­rihana fa manorina isika ary filoham-pirenena, firenena, manorina fotodrafitrasa betsaka indrindra aty Afrika, araka ny nambarany hatrany.

Fifandraisan-tanana sy firaisam-po
Notsiahiviny fa tsy hadinoina ny faritra Atsimo ary tsy maintsy hampandrosoana. No­­tanisainy ho anisan’izany ilay fantson-drano “Pipeline” lehibe indrindra atao ao Taolagnaro mipaka hatrany Ambovombe. “Tsy latsaky ny fito ny fotodrafitrasa tokanantsika sy atombotsika amin’ity anio ity ary mbola hitohy izany”, hoy ihany ny filoha.
Nanaovany antso avo ny tokony hifandraisan-tanana sy hiraisam-po ho amin’ny fampandrosoana ny firenena. Hitohy anio ny fitsidihan’ny filoha ny any atsimon’ny Nosy, amin’ny fitokanana fotodrafitrasa sy fametrahana fotodrafitrasa vaovao.

Synèse R.

Partager sur: