« Festival Sôrogno » andiany faha-24 : handrasan’Ambanja ny sehon-dry Dadi Love, Sisca, Lico …

Hetsika mandritra ny efatra andro ary fampisehoana mandritra ny 4 alina. Hivelatra kokoa ny « Sôrogno” ao Ambanja amin’ity, raha ny fandaharam-potoana sy ny fanomanana azy.

Tsy mbola tapaka mihitsy isan-taona ! Hiditra amin’ ny andiany faha-24 ny « Festival Sôrogno » fanao ao Ambanja amin’ity taona ity. Hotontosaina ny 24 hatramin’ ny 27 aogositra izao izany, ao an-drenivohitr’i Sambirano. Tarika am-polony no hanafana ny sehatra goavana ao amin’ny kianja monisipaly mandritra ny efatra andro, ka anisan’ireo andrasan’ny maro, indrindra amin’izany ry Dadi Love, Lico Kininike, Sisca, Rim-Ka, sns.
“Marina fa ireo mpanakanto no tena andrasan’ny mpankafy, kanefa sehatra iray koa hamohazana sy hampahafantarana ny kolontsaina mampiavaka an’Ambanja sy ny sa­kalava Bemazava io. Anisan’ ireny, ohatra, ny fifaninanana “Tsinjaka be Sambirano” izay hanasongadinana ny “majanga”, “trotrobe”, sns. Ny morengy izay niaraka tamin’ny “Sô­rogno” hatrany am-boalohany ihany koa”, hoy ny nambaran’i Zafilaza Armand, mpikambana anatin’ny komity mpikarakara ny “Festival Sôrogno”, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Telma Andraharo.
“Raha mbola hetsika manandratra ny kolontsaina malagasy, manohana hatrany ny Telma. Anisan’ny naharesy lahatra anay ny maha anisan’ny “festival” tranainy in­drindra ny “Sôrogno”, izay sady fanoitra ho an’ny toekarena any Ambanja ihany koa”, hoy kosa Rabefitia Riantsoa, tomponandraikitra ao amin’ny Telma.
Ankoatra ny fampisehoana tokoa, fanandratana ny vokatra mampiavaka an’Ambanja ny “Sôrogno”. Lohalaharana amin’izany ny cacao sy ny vokatra voahodina avy aminy. Fanomezana sehatra ny tanora amin’ny alalan’ny fanatanjahantena ihany koa anefa, entina miady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina.

Zo ny Aina

Partager sur: