Fanararaotana: misy ray aman-dreny manome vahana izany

Manoloana ny ady amin’ny famarinan’olona sy ny fa­nararaotana, nilaza ny Ame­rikani­na tamin’ny tatitra na­taony fa misy ireo iharan’ny fanararaotana ara-nofo no voambaka na voatery hanao izany tsy an-tsitrapo mba hahazoana vola.
Eto Madagasikara, misy fotoana ny ray aman-drenin’ireo zaza tsy ampy taona iharan’ny fanararaotana ara-nofo ireo mihitsy no manome alalana ny mpanararaotra hanao ny asa ratsiny ho fidiram-bola ho azy ireo.
Mampiasa herisetra, mandrahona, manambaka na koa mety mampanantena fitiavana ireo mpanao ratsy hamandrihany ny lasibatra. Izay rehetra latsaky ny 18 taona ka tafiditra ao anatin’ny fivarotan-tena dia voafaritra ho lasibatra na an-tsitrapo na ankolaka.
Tsy voatery hiantso vonjy na hilaza fa iharan’ny fanararaotana ny olona lasibatry ny famarinana noho ny tahotra na fahatsapana ny tena ho meloka na koa noho ny he­natra, araka ny tatitra hatrany.
Misy amin’ireo zaza malagasy any amin’ny morontsirak’i Madagasikara izay tafiditra amin’ny firaisana ara-nofo amin’ny vahiny mpizahatany aza no mihevitra fa voninahitra ara-tsosialy ho azy ny miaraka amin’izy ireny.

Tatiana A

Partager sur: