Fanilon’i Madagasikara: manatanteraka ny lasy “Tao II” ireo filoha

Manatontosa lasy “Tao faharoa” antsoina hoe: “Maha­tsan­gy”, eny amin’ny Akamasoa, ny fikambanana Fanilon’i Madagasikara. Nanomboka ny 15 hatramin’ny 20 Aogositra ho avy izao, izany. Mandray anjara mandritra izany ireo filoha 34 mirahavavy avy amin’ny diosezy sivy (Antananarivo, Ambanja, Port-Bergé, Mahajanga, Antsiranana, Fianaran­tsoa, Farafangana,Toliara ary Moramanga). Tanjona ny hamolavola ny filoha rehetra manerana ny Nosy. Ahitana mpampiofana 11 mandritra izany, Ao ny filoha iombonana sy ny ray am-panahin’ny fikambanana. “Zava-dehibe ny fiofanana satria nahaizana nanangana tetikasa sy nahazoana tombontsoa amin’ny fanabeazana ny ankizy ihany koa”, hoy i Kalo Sylvia, filoha avy amin’ny diosezy Antsiranana. “Tan­jona ny hananana mpiandraikitra maro ampy fiofanana, tsara kalitao, mba hanabeazana ny ankizy”, hoy ny filoha avy amin’ny diosezy Port-Bergé, Pierette. “Hanatsarana ny ho avin’ny fikambanana sy ny fanabeazana eo anivon’ny fikambanana ny fiofanana”, hoy ny ekipa foibe fanofanana, Njarasoa Sophie Xavier. Aorian’ny lasy, manana tetikasa hampiharina mandritra ny roa taona ny mpiofana tsirairay. Harahi-maso sy hatao tatitra izany aoriana hahafahana miroso amin’ny fiofanana manaraka indray. “Mba hahafahana manatsara ny fanabeazana eo anivon’ny fikambanana”, hoy ny fifanakalozana iraisam-pirenena, Randrianasolo Perpetua.
Ankoatra izay, tonga eto an-toerana ireo vahiny avy any Angletera, miara-miasa amin’ny fikambanana. Hitondra ny fandaharanasa “Gold” hampiofanana ny momba ny fahaiza-mitarika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Hisy ny fakan-kevitra hanatsarana ny fanabeazana eo anivon’ny fikambanana eny amin’ny Anjerimanontolo. 39 000 ny mpikambana Fanilo manerana ny Nosy hatramin’izao.

Mino

Partager sur: