Tohana avy amin’ny Japone : mitentina 141 038 Euros ny fanatsarana ny Lisea iray sy Epp

Nahatanteraka soniam-piaraha-miasa roa ny masoivohon’ ny japone, omaly, tetsy Ana­la­mahitsy. Nanao izany, ny Amba­­sadin’i Japon miasa eto Mada­ga­sikara, ABE Koji sy ireo mpitantana ny sekoly avy amin’ ny Lisea Vinaninkarena Antsi­rabe sy ny Epp Andohatape­naka. Ahafahana manangana trano vaovao ho an’ny lisea Vinanin­ka­rena sy hanitarana sy hanarenana ny sekoly ho an’ny EPP Andohatapenaka ny tetikasa. Tanjona ny hanatsara ny seha-panabeazana ho an’ny ankizy mandranto fianarana. Mitentina 141 038 Euros ny fa­nomezana avy amin’ity masoivoho ity, ha­naovana izany. “Ma­nampy be­tsaka ny seha-panabeazana sy hanampiana ireo mpianatra hanohy ny fianarany hatramin’ny farany ny tetikasa”, hoy ny proviseur ny Lisea Vinaninka­rena, Miarin­tsoa Sedra Tolisoa. Vonona ny hitandrina sy hanaja ireo fotodrafitrasa goavana izy ireo. Nohamafisiny fa hisy akony lehibe amin’ny fanabe­azana ny zaza malagasy ary ho andrin’ny firenena izany. “Na­ha­ritra aman-taona maro ny fiaraha-miasa teo amin’ny firenena ma­lagasy sy ny governemanta japone, nahazo tombony be­tsaka tamin’izany, ny lafiny fa­nabeazana”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Fanabeazam-pirenena, Rabenandrasana Téophil. Tafiditra anatin’ny fandaharanasa hanampiana ireo tetikasa madinika eto an-toerana ho fiarovana ny maha olona.

Mino

Partager sur: