HVM : “Tokony hifampiresahana ny famoahana lisi-pifidianana”

“Mety marina ny ahiahin’ny Ceni hoe fanajana ny momba ny olona tsirairay avy, fanajana ny zon’olombelona. Mafy ny lalàna, saingy izay ny lalàna”, hoy ny mpandrindra nasiona­lin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny lalàna ahazo­an’ny olom-pirenena mijery ny lisi-pifidianana amin’ny fotoana rehetra.
Tsy afa-manova lalàna ny Ceni, fa manatanteraka lalàna. Raha nifampiresahana izany ka namoaka ny heviny ny Ceni na ny olon-kafa hoe: hatao ahoana fa lazain’ny lalàna fa tsy maintsy azon’ny rehetra jerena ny lisi-pifidianana? Ekena ve hoe miparitaka sy azon’ny rehetra jerena ny mombamomba ny olom-pirenena tsirairay avy ao anatin’ny lisi-pifidianana? Azo iadian-kevitra izany.
Nanao fandikana ny hevitry ny lalàna ny Ceni hoe raha havoaka ny lisi-pifidianana dia misy adiresin’olona, laharana kara-panondro… Ny lisi-pifidianana no anomanan’ny olona ny paikadiny hiatrehana ny fifidianana, ankoatra ny fangaraharana. Amin’izany no tena ahitana ny hoe ny isan’ny mpifidy. Mampiahiahy amin’izao fa mihena ny isan’ny mpifidy eto Antananarivo. Any amin’ny toerana be mpifindra monina indray no mitombo. Mampi­e­ritreritra izany, mahatonga ny ahiahy tsy ihavanana. Tokony ho ao anatin’ny fangaraharana ny Ceni. Tokony hivoriana sy hifampiresahana izay hanatsarana ny amin’izay famoahana lisi-pifidianana izay.

R. Nd.

Partager sur: