Samy naneho ny maha izy azy ny mpifaninana tsirairay, nandritra ny fifaninanana , teo amin’ny sokajy rehetra, ka nanome endrika sy seho mahafinaritra. Afa-po ny rehetra ary maniry ny hitohizan’ny ezaky ny tsirairay ho fampandrosoana ny dihy eto Madagasikara.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny kianja mitafo Vatofotsy, Antsirabe, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, teo amin’ny « Danse Sportive Latine » sy ny teo amin’ny Salsa, Bachata, Kizomba (SBK). Toky sy Valencia no laharana voalohany teo amin’ny « Danse Sportive Latine ». Nafana tanteraka ny sehatra ary tena efa avo lenta ny fifaninanana. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, manan-talenta ary efa tena manana ny maha izy azy ny Malagasy ary tena mahavelombolo ny mahita ny tanora izay hoavin’ity taranja ity.
Ambohipihaonan’ny fianakaviamben’ny dihy, indrindra ny “Danse Sportive Latine” sy ny SBK, ny tany Antsirabe, ny faran’ny herinandro teo. Nafana ary niadivana ny ho tompondakan’i Madagasikara, teo amin’ireo karazana dihy ireo. Raha ny vokatra nandritra ny andro voalohan’ny fifaninanana, nanaovana ny “Danse Sportive Latine”, tsy nivoaka ny faritr’i Vakinankaratra ny amboara ho an’ny teo amin’ny “Danse Sportive Latine”. Azon-dRazafy Tokin’ny Aina sy Andriambololona Valencia, avy ao amin’ny klioba Six
Seven Vakinankaratra ny laharana voalohany. Harihasina Sahaza Marcelo sy Larissa Harisoa no teo amin’
ny laharana faharoa, ary Andrianarisoa Arnaud sy Andoniaina Narindra. Izy ireo izay samy avy amin’ny klioba Area Danse Analamanga avokoa.
Nampisy lanjany ny fifaninanana ny haavo lentan’ny fahaizan’ny mpandray anjara, indrindra ny avy any amin’ny faritra. Hita ho tena nanomana, teo amin’ny lafiny rehetra izy ireo. Araka ny nambaran’ny mpifaninana, takin’izy ireo ny hanaovana fifaninanana matetika, mba ho fampiroboroboana ny dihy sy ny tontolony, indrindra ny any amin’ny faritany.
Lin M.