« Feo roa, gitara roa » : nitondra lavitra ireo mpankafy i Dama sy i Erick

« Rahakamoana ». Hira tsotra kanefa mavesatra ny tonony… hiran-dRaoul io, izay nataon’i Erick Manana irery. Io ny hira nanokatra ny fampisehoana indroa mihantaona tetsy amin’ny CCesca Antani­mena, ny zoma sy ny alahady teo.
« Nisy tantara ny niantombohanay, ary anisan’ny nampiakatra an-tsehatra voalohany sy nandrisika an’i Erick Manana tanatin’ny mozika ny zokinay Raoul. Antony iray hanokanantsika fotoana ha­naovanay ny hirany izany », hoy i Dama. Hiran-dRaoul ma­romaro no naverin’izy mirahalahy, izay nampian’i Ma­haro, zanak’i Dama. Anisan’ ireo niaraha-niredona ny « Raha tsy eto intsony », « Mba misotrosotro », « Tiana ve ? », sns.
Tsy i Maharo ihany, fa nanampy azy mirahalahy teo amin’ny feo ihany koa i Voara. Mbola kely ity tovovavy ity no nampiakarin’i Erick Manana sy Dama an-tsehatra voalohany, ary naveriny nandritra ny seho ny « Nankaiza ny tanteliko teto ? », izay efa nataony tamin’izany. Naha­faly ny rehetra koa ny hira vaovao « Hita tsy notadiavina », niarahan’i Voara sy i Erick Manana.
Noho ny fivelaran’ny mozika, tsy nionona tamin’ny « feo roa, gitara roa » intsony izy mirahalahy, satria dia nanaingo ireo hira maro nosafidiana teny koa ny fararan’i Dama. Manginy fotsiny ny feon-dokangan’ireo mpitendrin’ny tarika Rasoalalao Kavia, tanatin’ny hira « 2cv an-dRandria »…

Zo ny Aina

Partager sur: