Nankalazaina tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny faha-55 taonan’ny FJKM. Ankoatra ny firesahana ny fiainam-piangonana, nitondra hafatra ho an’ny mpanao politika koa ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi nandritra izany.
“Eo amin’ny sehatry ny politika, ho kristianina vavolombelon’i Kristy. Ka i Jesoa Kristy no tompon’ny baiko, fa tsy ny antoko politika. Ry kristianina FJKM mirotsaka eo amin’ny sehatra politika manokana dia olona azon’i Jesoa ireharehana toa an’i Joba hoe: “Efa nandinika an’i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy.” (Job 1: 89)”
Io ny nambaran’ny filohan’ ny FJKM, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi, tamin’ny fankalazana ny faha-55 taonan’ny FJKM, tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. “Mihavaozà mandrakariva, ry FJKM. Fiangonana “réformée” ianao, ka antsoina hihavao mandrakariva, araka ny tenin’Andriamanitra nahaterahanao tamin’ny 1968 manao hoe: Indro havaoziko ny zavatra rehetra (Apokalipsy 2l: 5).”, hoy izy.
Nanainga ny fiangonana tsy maintsy hihavao ka hiroso amin’ny fampamokarana ny fandalovan’ny covid-19. Ho fampahombiazana ny fitoriana ny Filazantsara sy ho fampandrosoana ny fiangonana izany. Samy tsy maintsy miezaka mamantatra ny sitrapon’ny Tompo ny eo anivon’ny sahan’ ny FJKM rehetra ny amin’izay mety ho loharanom-bola maharitra tokony hataony ho fanatanterahana ny firosoany amin’ ny fampamokarana.
Tsy maintsy miroso hiatrehana ny hoavy sy azo antoka ny rehetra hanatrarana ny vina fototra: mbola ho firenena kristianina hatrany i Madagasikara amin’ny taona 2118. Izany hoe afaka 100 taona izany, niainga tamin’ny fotoana nanorenana ny vina.
R. Nd.




