Ceni momba ny lisi-pifidianana : “Finiavan’ny olom-pirenena no nanaovana ny fanavaozana”

Nitondra fanazavana momba ireo olom-pirenena maherin’ny iray hetsy tsy mazoto nisoratra anarana ny eo anivon’ny Ceni. Namaly ireo fanakianana samihafa izy ireo tamin’izany.

“Ny toe-tsaina mifototra amin’ny finiavan’ny olona no na­naovana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana, fa tsy nisy fa­nerena. Hajanona ve ny raharaham-pirenena fa misy olom-pirenena iray alina na iray hetsy tsy mazoto misoratra anarana amin’izany”? Io ny nambaran’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny tarehimarika samihafa lazain’ny sasany etsy sy eroa.
Nifototra tamin’ny antontanisa momba ny mponina ankapobeny ny isan’ny mpifidy nofaritan’ny Ceni. 27 tapitrisa ny mponina tamin’ny 2022 nanombohana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ka nahatonga ny 13,5 tapitrisa mety ho isan’ny mpifidy: antsasaky ny isan’ny mponina. Efa nanaovana fanentanana ny mpifidy tamin’ny fanavaozana isan-taona (Rale), roa tapitrisa eo. Nentanina ha­nam-piniavana hisoratra anarana izy ireo. Raha ny fisoratana anarana tsy mila finiavan’ny tsirairay, nandika fotsiny ny lisitra tao amin’ny Rale.
Tsy mifanaraka amin’ny lalàna ny filazana fa ny rejisitry ny fokontany no hanatanterahana fifidianana. Miainga amin’ny finiavan’ny tsirairay avy ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, fa tsy hoe adika fotsiny ny Rale na ny rejisitry ny fokontany.
Na izany aza, nambarany fa mikasa hanova ny rejisitry ny mpifidy ny Ceni ka hangataka amin’ny fitsarana etsy Anosy ahafahana mikitika izany. “Maro ireo nahazo taratasy manamarina ny fanisana azy teny an-tokantrano nefa tsy ao anaty lisitra”, hoy ihany izy. Nisy fahadisoan’ireo mpirakitra an-tsoratra ny anarana tamin’ny karnen’ny mpifidy nefa tsy tafiditra amin’ny rejistra narafitra teny amin’ny distrika.

R. Nd.

Partager sur: