Kandidàn’ny FTT, Razafinjoelina Tahina : “Avelao ny hevitra no hiady fa tsy ny olona…”

Anisan’ireo nanao sonia ilay satan’ny fitsipi-pitondran-tenan’ny antoko politika “Char­te de bonne conduite”, tetsy amin’ny foiben’ny Friedrich Ebert Stiftung (FES), Ankadifo­tsy, omaly, ny kandidà ho filoham-pirenena, Razafinjoelina Tahina. Namba­ran’ity mpirotsaka hofidina atolotry ny vovonan’ny Firaisankina ho an’ny tia tanindrazana (FTT) ity fa zava-dehibe mandritra ny fifidianana ny adihevitra. «Aoka mba ho ny hevitra no miady fa tsy ny olona. Lasa tonga ny fifankahalàna sy fifanaratsiana rehefa ny samy mpanao politika no miady. Miteraka fifandrafesana izany ka tsy mety eto amin’ny firenena”, hoy izy.
Nohamafisina tamin’izany fa mijoro amin’ny vina efa nambarany ity kandidà ity na eo aza ny fanenjehana sy fa­nakianana etsy sy eroa. Ani­san’ny sakana amin’ny fampandrosoana eto amin’ny firenena izany, araka ny nambarany hatrany.
Tsiahivina fa efa tafapetraka ao Antsirabe ny foiben-toerana hiasana ho an’ny FTT. Ahitana solosaina maro sy efitrano fampiofanana nomerika ao. Mandray ireo tanora maniry hanovo fahalalana ary hifampizara ny vaovao sy ny tsara ho fantatra rehetra momba ny vovonana. Eo koa ny fanofanana momba ny fiompiana sy ny fambolena. Manampy izany ny fampianarana teny Anglisy isaky ny seha-pihariana ary ny informatika sy ny “Community manager”.

Synèse R.

Partager sur: