Misokatra manomboka anio hatramin’ny 2 septambra 2023, eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka, ny “Village Culturel des jeux des îles”. Hetsika natokan’ny mpikarakara ny lalaon’ny Nosy hampahafantarana ny zava-misy eo amin’ny haikanto sy ny kolontsaina, avy amin’ireo nosy mandray anjara. Tanjon’ ny hetsika ny hampahafantatra ny kolontsain’ireo nosy manodidina, indrindra ny eto Madagasikara.
Nozaraina toerana valo, samy manana ny mampiavaka azy, ny eny amin’ny Village Voara, mandritra ny fotoana, anatin’ny « Village Culturel des jeux des îles ». Voalohany ny toerana mampahafantatra ny tantaran’ny lalaon’ny Nosy. Faharoa, toerana mampiranty ny asa tanana mampiavaka ny nosy tsirairay avy. Fahatelo, toerana maitso. Fahefatra, toerana hanehoana ny fahaiza-mahandro sy ny sakafo mampiavaka ny nosy mpandray anjara. Fahadimy, toerana mampahafantatra manokana an’i Madagasikara. Fahenina, toeram-pilalaovana sy fety samihafa. Fahafito, toeram-pilanonana, ahitana fanentanana isan-karazany, ary fahavalo ny trano fisakafoana.
Fahitana zava-baovao, fifangaroana ara-koltoraly, finamanana sy firaisan-kina ary fialamboly sy fafinaretana no antenaina ho hita eny amin’ny “Village Culturel des jeux des îles”, mandritra ireo fotoana ireo. Misokatra manomboka amin’ny folo maraina hatramin’ny folo alina ny toerana.
Lin M.