Mikarakara «Salon de l’étudiant» ny Centre d’information et de documentation scientifiques et techniques (CIDST). Hotanterahina etsy amin’ny lycée JJ Rabearivelo Analakely izany ny 24 sy 25 ary 26 aogositra ho avy izao. Miavaka ny hetsika amin’ny fandraisan’ireo ivontoeram-panofanana ho mpiasam-panjakana sy ireo sekoly ambony eto Antananarivo sy avy any amin’ny faritra. Tanjona ny hanapariahana fahalalana sy hampahafantarana ireo ivontoeram-pahalalana samihafa manerana ny Nosy ho an’ny rehetra. Vinavinaina ho 10 000 ireo mpitsidika ho tonga hanatrika ny hetsika, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. “Tafiditra anatin’ny fotoam-pialantsasatra isika ary hirika fanararaotra ho an’ny mpitsidika ny hetsika amin’ny maha maimaimpoana azy”, hoy ny tomponandrikitra eo anivon’ny CIDST, Razafindratandra Miora. Nilaza izy fa hanampiana ireo mpianatra hikaroka ny taranja hifanaraka amin’ny faniriana tiany hatao sy handrafetany ny hoaviny. Tsy natao ho an’ny mpianatra ihany fa natao ho an’ny rehetra ny hetsika, hanomezana torohevitra azy ireo, raha ny fanazavana hatrany.
Ahitana tranoheva maherin’ny 70 eny an-toerana. Hisy ady hevitra sy famelabelaran-kevitra, ahitana lohahevitra enina, iarahana amin’ny manam-pahaizana manokana. Ahitana tolotr’asa samihafa, ahafahan’ireo mitady asa ihany koa eny an-toerana.
Mino




