Niakatra ho 62,35% ny taham-pahafahana fanadinam-panjakana bakalorea, ho an’ny faritany Toamasina, ahitana faritra telo : Alaotra Mangoro, Atsinanana ary Analanjirofo. 62,30 % ny taham-pahafana ny taon-dasa. Nihaona ny alatsinainy lasa teo, tetsy amin’ny CEG Ratsimilaho ireo mpampianatra sy filohan’ny oniversite nandinika ny naoty farany ambany. Nambaran’ny filohan’ny oniversite, dokotera Razanakolona Diny, fa 62,05% ny taham-pahafahana ho an’ny fampianarana ankapobeny raha nahatratra 67,98% kosa ny fampianarana teknika. Voahaja ny lamina napetraka teny am-piandohana momba ny fikirakirana ny bakalorea taona 2023.
Nisy fahatarana kely teo amin’ny famoahana ny valiny noho ny toetry ny andro, tsy afa-niala tany amin’ny toerana nisy azy ireo mpitondra ny antontan-taratasy ilaina, toy ny tao Marolambo, Antanambao Manampontsy, Sainte-Marie sy Maroantsetra izay tsy maintsy mitsaka ranomasina: “Tsy misy ahina ihany koa ny karaman’ny mpitsara sy ireo niambina ny fanadinana ary ny firaketana an-tsoratra fa efa vonona ao ny vola ka ny fandaminana amin’ny fitsinjarana azy no sisa nifandaminana teo”, hoy ihany izy.
Efa nivoaka ny alatsinainy alina teo, manerana ny fari-piadidiam-pampianarana sy ireo Lycée manerana ny faritanin’i Toamasina, ny petadrindrina misy ny lisitry ny afaka ary azo jerena ihany koa amin’ny site: bacc.univ-toamasina.mg.
Sajo




