Rovan’i Madagasikara : azo vidina amin’ny « Ticket place » ny tapakila

Tonga nijery ny fizotran’ny fampiasana ny tapakila nomerika, amin’ny fidirana eny amin’ny Rovan’i Madagasikara, Rakotondrazafy Lalatiana, minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina. Nanomboka omaly ny fampiasana ity fomba fiasa vaovao ity. « Fanomezana endrika tsara sy fanamorana ary fampirindrana ny fitsidihina ity vakoka manana ny maha izy azy ity no tanjona ao anatin’izao hetsika izao », hoy ny minisitra.
Mitohy hatrany ny fanatsarana sy fampiroboroboana ny kolontsaina. Tafiditra ao anatin’izany izao tetikasa, ahafahana manjifa ny tapakila fidirana ao amin’ny Rovan’i Madagasikara, amin’ny alalan’ny anterineto, izao. Fiaraha-miasan’ny fanjakana amin’ny tsy miankina no nahatanteraka ny tetikasa. Maro samihafa ny mpitsidika ny Rovan’i Madagasikara ka miteraka tsy fahatomombanana kely. Izany indrindra no nahatonga ny tomponandraikitra nanao ity tetikasa ity. Raha tsiahivina, manodidina ny 1 000 isa ny mpitsidika tonga eny an-toerana, ary tafakatra 1 200 izany rehefa faran’ny herinandro.

Lin M.

Partager sur: