Cntemad-Fizaran’asa : hifarana ny 22 septambra ny fandraisana ny tatitra

Nanambara ny tomponandraikitry ny ivontoerana misa­hana ny fampianarana ampitain-davitra (Cntemad) eto Madagasikara fa hifarana ny 22 septambra ho avy izao ny fandraisana ny tatitra nataon’ny mpianatra L3 nandritra ny fiza­ran’asa teny anivon’ny orinasa nosafidiny. Fepetra takina hisitrahana ny mari-pahaizana “Licence” ny famolavolana tatitra. Ho an’ny lalam-piofanana Toekarena sy Lalàna, tsy voatery hanao fizaran’asa ny mpianatra fa kosa tsy maintsy manana tatitra momba ny fikarohana nataony amin’ny lohahevitra iray fa tsy manan-kery ny tatitra tsotra momba izany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra.
Ho an’ny lalam-piofanana hafa : Informatika, Fifandra­saina sy Serasera, Fitantanana… ilaina ny fanatanterahana fizaran’asa anatin’ny iray volana teny anivon’ny orinasa izay ahazoana taratasy fanamarinana mazava. Aterina miaraka amin’ny tatitry ny fizaran’asa io taratasy io. Tsy niova ny saran’ ny fametrahana ny tatitra fa 60 000 Ar ihany. Aterina eny amin’ ny sampandraharaha mahazatra misahana ireo sokajy ireo ho an’ny L3.

Vonjy

Partager sur: