Tily eto Madagasikara : nampihaona skoto 1 500 ny lalao nasionaly Tendro

1 500 ny tily eto Madaga­sikara mandray anjara amin’ ny lalao nasionaly Tendro. Maharitra hadimiana ny lalao. Tanjona amin’izany ny hano­sika hatrany ny kolontsaina skoto sy hanaovana tombana ny vokatry ny fanabeazana skoto tao anatin’ny telo taona farany, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Efa nifa­rana ny talata lasa teo ny he­tsika, tany Fianarantsoa.

Fotoana hampisehoan’ny tanora skoto ny fahaiza-ma­naony sy ny fiaraha-mientany ny lalao ary tsy hadinoina ny soatoavina amin’ny maha skoto. Nizara ny toerana nanatanterahana ny lalao araka­raka ny sokajin-taona: tao Ma­hazengy sy Andranovo­rivato, nisy dia an-tongotra nampi­tohy an’Ambohi­maha­soa sy Fianarantsoa ho an’ny sasany ary foara ho an’ny tetikasa notanterahina teo amin’ny Lapan’ny tanànan’i Fianaran­tsoa natokana ho an’ireo efa nahazo taona.

Rehefa manao lalao na hetsika ny skoto dia natao hifandraika amin’ny fanatra­rana ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy sy hitondra fivoarana ho an’ny mpiara-belona hatrany. Niaraka nilalao ny sokajy avy amin’ny faritra samihafa. Feno 30 taona ny lalao nasionaly Tendro, natomboka ny taona 1993. Tsy tanteraka ny hetsika tokony ho natao ny taona 2020 noho ny fisian’ny valanaretina Covid-19 teto amintsika.

Vonjy

Partager sur: