Asa tena : olona manana fahasembanana 25 nahazo mari-pahaizana

Omena sehatra sy ampiana hanana ny asa mahavelona azy ireo olona manana fahasembanana. Anisan’ny nisitraka izany ireo nandalo fiofanana eny amin’ny ivon-toerana Ampandrianomby omaly.

Nahazo mari-pahaizana ireo olona manana fahasembanana 25 eny amin’ny ivontoerana natokana ho azy ireo etsy Ampandrianomby, omaly. Nifototra tamin’ny asa tena ny fiofanana. Tamin’ity, fiompiana tantely sy fanaovana tenona no nataon’izy ireo, naharitra 10 andro. Nahazo fitaovana avy amin’ny Organisation in­ternationale du travail (OIT) ihany koa izy ireo nandritra izany, hoentina manomboka ny asa. “Tanjona ny hahazahoan’izy ireo asa fivelomana tsara fa tsy ho vesatry ny fiarahamonina”, hoy ny talen’ny ivontoerana nasionaly fanofanana arakasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa, Andrianainarivelo Mahandri­ma­nana. « Manan-jo hanana ny asany toy ny olon-drehetra ny olona manana fahasembanana ka anton’ny fanampiana azy ireo », hoy ny Directeur du Bureau de Pays de l’OIT pour Madagascar, les Comores, Maurice et les Seychelles, Coffi Dominique Agossou.
Marisarisa amin’ny fandraisana ny olona manana fahasembanana ny orinasa. Nilaza izy fa anisan’ny manana fahaiza-manao sy matanjaka ary afaka mahavita tsara ny asany toy ny olon-drehetra izy ireny. “60% amin’ireo olona manana fahasembanana no mivelona tsara amin’ny fiofanana nataony, raha ny tatitra voaray. Efa maro ny fanofanana nomena azy ireo (informatika, fanaovana angovo azo havaozina, fanjairana…). Mbola hitohy hatrany ny fanofanana ireny sokajin’olona ireny, raha ny fanazavana.

Mino

Partager sur: