Kaominina Antananarivo Renivohitra : nodiovina ny tanàna ao anatin’ny boriborintany V

Ho fanohizana ny asa an­davanandro. Nanatanteraka fanadiovana faobe ny kaomi­nina Antananarivo Renivo­hitra, ao amin’ny boriborintany fahadimy, omaly. Nodiovina ny sisin-dalana sy ny manodidina ny tobim-pako, nalana ireo fasika, ny lobolobo,…. Toy ny eny Tsarasaotra hatreny An­ko­rondrano, rond-point So­diama mihazo ny Marais Masay ary Nanisana hatrany Ambohi­mangakely, rond-point Nani­sana hatreny Mausolé. Nanao ny fanadiovana ny RF2 anatin’ ny Fokontany 27. Nahitana olona 104 sy ekipa teknika avy ao amin’ny boriborintany fahadimy. Tanjona ny hanadiovana ny tanàna sy hampahafanta­rana ary hanomezana toromarika ireo RF2 mikasika ny ora fanariam-pako. Izay manomboka amin’ny 4 ora hariva hatramin’ny 8 ora alina. An­koatra izay, hampianatra ny mponina eny anivon’ny Fo­kontany mba hanaja io fo­toana io. “Ezahina isaky ny roa volana ny fanadiovana hiarahana amin’ny RF2 tahaka izao”, hoy ny delegen’ny boriborintany fahadimy, Ranoeli­jaona Tantely Hariliva.

Mino

Partager sur: