Tontosaina eny amin’ny Arena Ivandry, ao anatin’ny fe-potoana hanatanterahana ny lalaon’ny Nosy, ny « Volet jeunesse ». Ankizy sy tanora 14 hatramin’ny 25 taona, 14 isa avy, avy amin’ny firenena fito no hifandimby handray anjara amin’izany. Marihina fa tsy fifaninanana no atao fa hetsika entina hanamafisana ny fifandraisan’ireo tanora avy amin’ireo nosy mandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy, amin’ny alalan’ny fifanakalozana ara-kolontsaina sy haikanto.
Kabary sy valandresaka, dihy sy hira, ary teatra. Ireo no ho hita ao anatin’ny “Volet jeunesse”. Sehatra hiresahana ny momba ny fiovan’ny toetr’andro. Hifanakalozana ny olana sy ny vahaolana avy amin’ireo tanora manoloana izany. Eo koa ny dihy sy ny hira mampiavaka azy. Ho an’ny teatra kosa, ny tantaran’ilay nosy no atao ao anatin’izany tantara an-tsehatra izany.
Raha tsiahivina, ny lalaon’ ny Nosy teto Madagasikara ny taona 2007 no nanombohana ny “Volet jeunesse”, ary ny andiany manaraka natao tany Seychelles, ny taona 2011, no nanaovana azy ho ofisialy. Efa vonona ny mpandray anjara rehetra. Ho an’ny Malagasy manokana, ny hiran’ny Salala “Salakao”, sy ny an’i Ludger Andrianjaka “Nosy Tanindrazako” no entin’izy ireo mifanakalo amin’
ireo nosy mpandray anjara.
Lin