Afon-dasin’Andohalo: hanafana ny hetsika ny Iraimbilanja

Hianoka fampisehoana iarahana amin’ny tarika Iraimbi­lanja indray ny mpankafy ny « Afon-dasin’Ando­halo », anio hariva, manomboka amin’ny 4 ora, ao amin’ny Zaridainan’ Andohalo. Ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy no miara-misalahy amin’ny fanatanterahina ity hetsika ity. Ankoatran’ny fanomezana sehatra ny mpanakanto, tanjon’ny « Afon-dasin’Andohalo » ihany koa ny fampiroborobona ny haitao ara-tsakafo malagasy. Misokatra ho an’ny rehetra, ao anatin’ny fanajana ny fepetra apetraky ny tomponandraikitra ny sehatra, amin’ity anio ity. Hifandimby hanafana ny sehatra, araka izany, ny tarika Iraimbilanja sy ny mpilanonana mandritra ny « Afon-dasin’Andohalo ». Ho kaloin’ny tarika amin’ity anio ity ny hira nahafantarana sy nankafizan’ny maro azy ireo hatramin’izay. Araka ny nambaran’ny solontenan’ny tarika, tsy ho vita amin’io avokoa raha ny hiranay. Niezaka kosa anefa izahay hanome seho miavaka ho an’ny mpijery ary nofantenana manokana ireo hira tena be mpankafy.

Lin

Partager sur: