Nanomboka ny talata lasa teo ary hifarana anio zoma ny hetsika fitsaboana manakaiky vahoaka ho an’ny boriborintany faharoa. Tanterahina eny amin’ny fokontany Andohanimandroseza. Nahatratra 400 mahery ireo mponina tonga nijery ny toe-pahasalamany hatry ny omaly, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny tomponandraikitra.
Ahitana tolotra samihafa mandritra ny hetsika. Anisan ’izany, ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny, fitiliana diabeta, fizahana maso, fizaham-pahasalamana ho an’ny reny sy ny zaza, fanabeazana aizana sy fandrindram-piterahana, fanomezana fanafody maimaimpoana ho an’ny marary… “Efa niezaka nanadio sy nandraoka fako ny Kaominina satria laharam-pahamehana ny fahasalaman’ny mponin’Antananarivo”, hoy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Nampahatsiahiviny ihany koa ny ora fanariam-pako, manomboka amin’ny 4 ora folakandro hatramin’ny 8 ora alina. Tokony ho efa madio ny dabam-pako rehefa tonga ny maraina ka tsy tokony hanariana fako intsony ny ora ankoatr’ireo voatondro, raha ny fanazavana. “Hadio foana ny Tanàna raha manaja ny lamina rehetra ny mponina”, hoy hatrany izy. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny hetsika ny “Association Béton Armé”. Nanome kilalao 400 ho an’ireo ankizy tonga teny an-toerana izy ireo. Nahazo “Nutrizaza” ihany koa ireo zaza 200 isa. Noraisin’ny kaominina an-tanana kosa ireo marary tojo fahasarotana sy ny zaza voan’ny “hernie”. Eny amin’ny Boriborintany faha-3 indray ny tohin’ny hetsika amin’ny tapa-bolana.
Mino