Ny mpiasa no mamokatra ho an’ny orinasa ary ny vokatry ny asan’ny mpiasa no mampihodina ny firenena iray manontolo ka hery tsy azo tohaina ny fiombonan’ny sendikàn’ny mpiasa malagasy, araka ny fanehoan-kevitra nataony.
Nivondrona ho iray ny sendikàn’ny mpiasa malagasy ka tafatsangana ny Fiombonan’ny sendikàn’ny mpiasa malagasy (FSMM) omaly, teny Ankatso. Tsy misy filoha tokana na birao mitantana ny fiombonana fa fiaraha-mitantana no atao, hoy ny mpitondra teny sady filohan’ny sendikàn’ny administrateur civil, Paolo Raholinarivo. Arofanina ho an’ny fitondrana ny fitsanganan’ny fiombonana fa tsy manohana na miandany amin’ny hery politika. Nanambara izy ireo fa hampikatso ny asa aman-draharaha rehetra eto amin’ny firenena raha tsy manaja ny zon’ny mpiasa na koa manao antsojay na dia amin’ny mpiasa tokana monja ny mpampiasa sy ny fanjakana. 1 tapitrisa mahery ny isan’ny mpiasa manerana ny Nosy ka matanjaka rehefa mivondrona. Voasolo tena ao anatin’ny fiombonan’ny sendikà avokoa ny mpiasam-panjakana sy ny sehatra tsy miankina satria mitovy ny olana mihatra amin’izy ireo. Voaporitra sy miasa anatin’ny horohoro ny ankamaroan’ny mpiasa ary tsy mitsahatra mitotongana ny fari-piainany tao anatin’ny 63 taona niverenan’ny fahaleovantena ka nahatonga ny lalan-tsaina hivondrona.
Nanambatra hery sy niray feo izy ireo ary tsy manaiky ny hatao fitaovana politika hiarovana na hakana fitondrana, araka ny fehin-kevira nivoaka taorian’ny fivoriana natao teny Ambohitsaina ary novakina ho an’ny mpanatrika rehetra.
Tokony hanaraka ny lalàna velona sy manaja ny mpiasa ny mpitondra sy ny mpampiasa ary notsindriny manokana fa tokony hanana fahazaina amin’ny fitantanana ny praiminisitra hitondra ny governemanta vaovao aorian’ny fifidianana samihafa.
Miantso ny mpiasa hiditra anatin’ny sendikà
Miantso ny sendikà rehetra hiditra ho mpikambana ao amin’ny fiombonana ny mpitondra teny ahazoana miaro azy ireo rehefa misy ny olana eny anivon’ny asa. Mialoha ny famakiana ny fehin-kevitra, nisy ny fizarana ny olana sedrain’ny mpiasa amin’ny sokajin’asa misy azy avy. Ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces) no nampiantrano ny fivoriana voalohany satria napetraka ho ambony ny zon’ny mpiasa malagasy ary tsy afaka handroso raha tsy nandia fianarana. Tazana teny koa ny Randrana sendikaly, ny sendikàn’ny mpiasan’ny minisitera maromaro, sendikàn’ny paramédicaux…
Vonjy A.