Ramavoarihanjasoa Hasina H. : “Tena mila fampitaovana ny mpianatra”

Tsy misy resaka politika fa noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’izao fidiran’ny mpianatra ato ho ato izao. Izay no nanetsika an-dRamavoarihanjasoa Hasinanirina Hélinah nizara “kit scolaire” ho an’ny mpianatra 500 teny amin’ny fokontany Ankorondrano, kaominina Tsiafahy, Antananarivo Atsimondrano, omaly. Nisitraka izany ny zanaky ny sahirana eo an-toerana sy ny mpianatry ny lycée privé FJKM Tsaramanga. Samy nahazo ny anjarany ny mpianatry ny pré-scolaire hatramin’ny kilasy famaranana. Mitetina 3 tapitrisa ariary any ho any ny fitaovam-pianarana nozaraina. “Tena mila fanampiana “kit scolaire” ny mpianatra”, hoy izy. Zava-dehibe ny fifanampiana manoloana ny fahasahiranam-bahoaka. Ireo tena sahirana no kendreny amin’izany. Na manana ny fikambanana misy aza izy, nandeha irery tamin’izay fizarana “kit scolaire”izay. Tamin’ny nividianany kojakojam-pianarana ho an-janany no naharesy lahatra azy fa tena mila fanampiana ny ray aman-dreny amin’izao fidiran’ny mpianatra izao. Mbola hitohy ny hetsika… Ny soa fianatra?

R. Nd.

Partager sur: