Mitohy tsy tapaka isaky ny alahady ny adin-kiragasy tanterahina eo amin’ny Kianjan’ny hiragasy etsy Ampefiloha. Manao ny ezaka hampivelarana izany rahateo ny Federasion’ny mpihiragasy.
«Amin’ny ankapobeny, mizotra an-tsakany sy an-davany ny fanohizana ny fandaharam-potoana rehetra. Misy hatrany ny adin-kiragasy eto amin’ity Kianjan’ny hiragasy ity, isaky ny alahady », hoy Ramilison
( Dadafara ), filoha lefitry ny Federasion’ny mpihiragasy, omaly. Nohamafisiny fa : « mety tsara ny toerana iorenan’ny kianja satria mahazo ny Renivohitra. Mitaky ezaka anefa ny fananana ity kianja ity mba hitondra vokatra tsara ho an’ny firenena. Efa eo am-pamolavolana izay fomba hisintonana mpizahatany izahay amin’izao. Ny ankamaroan’ny mpizahatany rahateo saika mandalo eto Antananarivo. Anisan’ny dingana haleha voalohany ny fampahafantarana ny hiragasy sy ny fisian’ny adin-kiragasy isaky ny alahady tontolon’ny andro, eto amin’ity kianja vaovao ity ».
Notsiahivin’i Dadafara hatrany ny maha harena tokana ny hiragasy. « Eto ambany masoandro, tsy misy firenena manana hiragasy raha tsy ny Malagasy irery ihany. Tokony ho haintsika ny maneho izany », hoy izy.
Manomboka voasarika ny tanora
Ankoatra ny maha fialamboly azy, mitaiza sy manabe ho tonga olom-banona ny hiragasy. « Rehefa nisy ity kianja ity, nanomboka voasarika ny tanora. Toy ireo mpianatra manao fikarohana momba ny kolontsaina malagasy,. Na izany aza, tsy mitsahatra izahay miantso ny ray aman-dreny, hoento mijery hiragasy ny ankizy. Entano ireo tanora fa soa sy fahalalana lehibe no ho azon-dry zareo », hoy hatrany ity mpitantana ny trano mpamokatra hiragasy, Lt Production, sady filoha lefitry ny Federasion’ny mpihiragasy ity.
Ny tarika Ranoelison avy any Ampahimanga sy Rakotomalala, Tongarivo Antsirabe, no nifanandrina, omaly, tetsy amin’ny Kianjan’ny hiragasy Ampefiloha.
HaRy Razafindrakoto