67ha : nodiovina ny faritra eny amin’ny Parking

Nodiovina ny lalana sy ny faritra eny amin’ny Parking 67 ha Avaratra Atsinanana, ny sabotsy lasa teo. Nanatanteraka izany ireo mpikambana eo anivon’ny Association des jeunes forts pour le développement de Madagascar miaraka amin’ny « les abonnés », mpampiasa ny fiantsonana. « Ho fanampiana ny mpitantana eo anivon’ny kaominina amin’ny fanadiovana ny tanàna ny anton’ny hetsika », hoy ny tomponandraikitry ny fikambanana, i William Frédéric Habib. Zava-dehibe ny fanampiana ny mpiara-belona amin’ny alalan’ny asa soa, raha ny fanazavana hatrany. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny mpiara-monina, ny fokontany nahafahana nanatanteraka ny asa. Tanjona ny hanampiana ny mpiara-belona sy hahafahan’ny rehetra miaina anaty filaminana. “Ankoatra izay, ampianarina sy tezaina ihany koa ireo tanora mba hitondra fampandrosoana ho an’ny faritra misy azy ary ho an’ny firenena iray manontolo mihitsy, hoy hatrany izy. Marihina fa nitsangana tamin’ity taona ity ny fikambanana. Tsy mijanona hatreo ny asa sosialy ataon’izy ireo fa mbola hitohy ary hivelatra amin’ny faritra maro samihafa manerana ny Renivohitra, eny eto Madagasikara mihitsy .

Mino

Partager sur: