Avy amin’ny volan’ny kaominina : nahavita fotodrafitrasa maro Ambatoboeny

Mametraka fomba fiasa madio sy mangarahara mampandray andraikitra ny daholobe ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Ambatoboeny, Rako­tonandrasana Jean Valerien. Isan-taona, mahatsangana fotodrafitrasa avy amin’ny volan’ny kaomina madiodio izy sy ny ekipany. Notokanana ny herinandro teo ny sekoly tao amin’ny fokontany Anka­rambilo.
Raha itodihana ny zava-bita nandritra ny fe-potoam-piasany indroa nisesy, miroso mankany amin’ny fampandrosoana ny tanàna ny kaominina. Maro ireo fokontany ma­nodidina nahazo fotodrafitrasa toy ny CSB ao Ankifatry, ny biraom-pokontany ao Beton­goa. Nisitraka tsena koa ny ao Ambatoboeny tampon-tanàna sy ao Ankaraobato. Vita rarivato ny lalana ao Ankarambilo sy Ambohimarina.
Ho fanadiovana ny tanàna, nividy “mini tracteur avec remorque” hitaomana fako ny tomponandraiktra ary nanao toeram-pivoahana ho an’ny daholobe. Nividy jiro mandeha amin’ny herin ‘ny masoandro ny kaomina hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana.

Olana ny fanenjehana politika

Zava-dehibe koa ny fanaovana tatitra momba ny vola sy ny asa vita amin’ny vahoaka isaky ny enim-bolana. Lany tamin’ny tsy miankina Lema­rijy ny ben’ny Tanàna, mbola mitoetra, noho izany, ho olana goavana ny fanenjehana politika, hoy ny fanazavany. Ma­tetika izy no nandefasana mpiasan’ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) sy ny IGE, hatramin’ny fiatrehana ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC) aza.

Vonjy A.

Partager sur: