Miezaka mitandro fatratra ny aingampanahim-pamoronana. Tarika Baobab, iray amin’ireo mamelona ny hira nanana ny lazany teo anelanelan’ny taona 1960 – 1980 – 1990. Dimy taona niakarana an-tsehatra.
Tarika Baobab, ivondronan’ireo mpitendry sy mpihira efa samy manana ny maha izy azy eo amin’ny mozika. Mampiavaka azy ireo ny fanandratana hatrany ny hakanton’ny sanganasan’ireo Malagasy sy vahiny mpanakanto nalaza tamin’ny taona 1960 hatramin’ny taona 1990.3 Mandia ny faha-5 taona niantseharany, ankehitriny, ny tarika. « Maro ireo sedra nolalovana fa tsy natao ho sakana akory ireny », hoy i Haingo, mihira sady anisany nanangana ny tarika. Ny 24 septambra ho avy izao, etsy amin’ny, « Akany Nambinintsoa », Talatamaty no ivon’ny fankalazana ary hanao tohivakana ny fanatanterahana ireo seho mitety faritra. Tsy hijanona eto Madagasikara ihany fa hipaka hatrany an-dafin’ny riaka. Anisan’izany ny seho hotanterahina any Eoropa ny volana Oktobra ho avy izao.
Tsangambaton’ny faha-5 taonan’ny tarika « Baobab » ny namoahana ny rakikira « Tarika Baobab chante Troupah », izay nezahina hanaraka ny fivoaran’ny teknolojia ny endrika isehoany.
Manome risi-po sy hery ny fitiavan’ny olona
« Noho ny fahatsapana hatrany fa mbola maro ny mankafy sy manjifa ireo sanganasa tsy mety lefin’ny vanim-potoana marobe nifandimby. Io no anisan’ny antony mahatonga anay hiroso hatrany », hoy ihany i Haingo. Ankoatra io, havanana amin’ny fiangaliana ireo vazo ankehitriny ihany koa ireo mpikambana ary manan-talenta amin’ny fanafanana lanonana amin’ny endriny marolafy.
Ezahin’ny tarika hatrany ny mitazona ny fomba nihirana sy nandrindran’ireo mpanakanto zokiny ireo sanganasany mba tsy hampiova loatra ny fientanam-po tsapa rehefa mihaino ny hira tsy lefin’ny vanim-potoana mifandimby. Mitahiry fanahy sarobidy tokoa izy ireny raha ny fanazavan’ny tarika Baobab hatrany.
HaRy Raafindrakoto