Fanaovam-beloma farany : hoentina ao amin’ny Kianjan’ny Hiragasy i Petit 

Nodimandry ny alahady 27 aogositra teo, Rasamimanana Rochel fantatra eo amin’ny tontolon’ny hiragasy amin’ilay solon’anarana « Petit ». Izy no filohan’ny Federasion’ny mpihiragasy. 66 taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Araka ny vaovao nampitain’ny filoha lefitry ny federasiona, hampandalovina etsy amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefi­loha ny nofomangatsiakan’ity andrarezin’ny hiragasy ity, ny alarobia 30 aogositra izao, amin’ny 10 ora maraina, mialoha ny hitondrana azy any an-tanindrazany Amboanana Ari­vo­nimamo. Ny zoma 1 septambra kosa no hametrahana azy ao amin’ny fasan-drazany Amboanana Arivonimamo iha­ny.
Fantatra fa ny taona 1969 Rasamimanana Rochel no nanomboka nirotsaka teo amin’ny tontolon’ny hiragasy ka ny tarika Ramilison Ando­havary no nisy azy tamin’izany. Taona 1980, tao amin’ny tarika Saho­ndrafinina Zanany i « Petit ». Ny taona 1982 kosa no nanomboka namoron-kira izy.
Mirary fiononana feno ho an’ny fianankavian’i « Petit » sy ny Federasion’ny mpihiragasy, ny hiragasy ary ny tontolon’ny zavakanto manontolo ny Gazety Taratra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: