Hanangona ny mombamomba ireo olona manana toe-tena «autiste» na zaza na ankizy na olon-dehibe manerana ireo masoivoho sivy misy ny fikambanana ny Autisme Madagascar, araka ny fizaram-baovao nataony. Tanjona ny hahazoana lisitra ahafahan’ny fikambanana mangataka amin’ny fanjakana ho tafiditra anatin’ireo mpisitraka ireny karazana fandaharanasa momba ny fiahiana ara-tsosialy ireny. Manentana ny rehetra na tsy mpikambana aza kanefa manan-janaka na manana havana “autiste” hisoratra anarana ny tomponandraikitra.
Alefa hafatra miafina amin’ ireo solontenan’ny fikambanana isaky ny faritra misy ilay olona hafakely ny mombamomba azy. Analamanga, Antsirabe, Fianarantsoa, Toliara, Taolagnaro, Moramanga, Toamasina, Mahajanga ary Antsiranana no efa misy ny masoivohon’ny fikambanana.
Nitsangana ny taona 2015 ny Fikambanana Autisme hampiroborobo ny zon’ny olona hafakely amin’ny alalan’ny fanentanana momba ny autisme eny anivon’ny fiarahamonina. Manome fiofanana ireo mpisehatra voakasiky ny fandraisana an-tanana koa izy ireo. Manana mpilatsaka an-tsitrapo maro manerana ny masoivoho sivy ny fikambanana. Efa nisy fivoarana lehibe ny fahafantaran’ny mponina momba ny autisme eto amintsika ary maro ny sehatra nijoro misahana ny zaza autiste amin’ny fanabeazana, fahasalamana…
Vonjy