Velombelombolo indray ny tantara an-tsary. Fantatra fa efa nivoaka ny “Trafika”, tantara an-tsary nifarimbonan’i Rolling Pen sy Rafally. “Tantara noforoniko havoaka an-gazety no niantombohany, kanefa hitako hoe tsara kokoa raha hatao tantara an-tsary. Niantso an’i Rolling Pen amin’ny traikefany eo amin’ny fanoratana tantara aho, satria izy no efa niara-niasa tamiko nanomboka ny taona 2019 raha nandray anjara tamin’ny festival tany Angoulême izahay”, hoy Rafally.
Boky misy takelaka 72 ny “Trafika”. Araka ny anarany, mifototra amin’ny raharaha hafahafa, izay niseho eto Antananarivo sy any Mahajanga ny tantara. Niantsoroka ny famoahana ny Des bulles dans l’Océan. Ito farany izay ao La Réunion, kanefa mitsinjara ny boky vokariny hatrany France, Suisse, Belgique, Canada, sns. Efa niara-niasa sy namokatra ny bokin’ireo mpanao tantara an-tsary malagasy maro, toa an-dry Dwa, Pov, Ndrematoa, sns, ny Des bulles dans l’Océan. Manam-pikasana ny hirona amin’ny « mangas » ihany koa izy ireo ary efa mitrandraka ny mpanao tantara an-tsary malagasy manao izany.
Zo ny Aina