Somary mangingina ny tontolo politika. Takon’ny lalaon’ny Nosy. Misoko miadana nefa ny dinika karakarain’ny raiamandreny am-panahy, mitady ny fomba hilaminan’ny firenena. Mandeha tsikelikely koa ny kajikajy any ambadiky ny lampihazo. Ny tompom-pahefana, mitety faritra. Ny mpifaninana efa samy misomebiseby any amin’ ny misy azy any avokoa.
Tsy misy mampikoropaka anefa, satria ny diavolan-ko lava, ny kilalao mbola ho ela. Ny mpilalao rahateo mbola mifandrirodrirotra tsy hita be ihany hoe mankaiza sy manao inona? Mifampiandriandry kendry tohina sy mifamingampingana, ary mifampihatsaravelatsihy eny daholo. Ny fitsipi-dalao aza mbola tsy mazava tsara akory. Ny mpitsara ny lalao rahateo, tsy hatokisan’ny herivelona rehetra. Toa misary “mitanila” sahady, raha atao indray mijery!
Mifanindran-dalana amin’izany, mandeha tsimoramora eny ny fiainana andavanandron’ny mponina. Tratry ny sangodimpanin’ny fidangan’ny vidim-piainana, amin’izao ankatoky ny fampidirana mpianatra izao. Iza no tsy mikaikaika? Velon-taraina ny ankabeazan’ny ray aman-dreny. Tsy ampy ny hoenti-manana. Ny vola miditra zara raha misy. Ny seha-pihariana rehetra rahateo mandalo krizy lalina, ankehitriny. Tsy hita ny teny hamaritana ny mpikarama isam-bolana, izay hanaovan’ny vola tsidi-pahitra. Mandalo dia miserana!
Sahirana ilay vahoaka malagasy. Tsy misy ny vahaolana azo raisina avy hatrany. Ny peta-toko sy ny vonjy tavanandro no zary fomba fiasa eto Madagasikara. Tsy ao anatin’ny drafitry ny mpanao politika ny voambolana lovain-jafy tena izy. Zary tsianjery maimbo hoenti-mandrebireby ireo valalabe mandry izany. Valalabe mandry tsy hay hoe rahoviana tokoa vao hifoha? Tratran’ny fampandriana adrisa faobe, tsy afaka mamakafaka intsony izay asiany ny tongony.
r.r