Iray volan’ny aretina Alzheimer : mila tohana ireo ankohonana manana marary

Volana eran-tany iresa­hana ny aretina alzheimer ny volana septambra. Hanatan­teraka dinika tora-po natokana ho an’ireo fianakaviana nitaiza na mitaiza ny havany, voan’ny aretina Alzheimer na ny are­tina mitovy amin’izany ny fi­kambanana Masoandro mody, ny 2 septambra izao, eny amin’ ny foiben’ny fikambanana eny Mahazoarivo.
Natao hitsinjovana indrindra ireo fianakaviana misedra fahasarotana amin’ny fitai­zana ny havany ny fihaonana. Hahafahana mifanoro hevitra, mifampizara traikefa ary mandray an-tanana bebe kokoa ireo marary.
Mila henoina sy tohana indrindra tolo-tanana mba tsy ho lavo amin’ny andavanandrom-piainany ireo marary sy ny ankohonana akaiky azy sy mikarakara azy.
Lasa vesatra ho an’ny fianakaviana ny zokiolona rehefa tratran’ny aretina Alzheimer. Mitaky fikarakarana bebe kokoa ary tena mila olona manaraka azy akaiky ny m­arary rehefa tratran’ny aretina.
Mety ho very tadidy tampoka ary tsy mahafantatra ny toerana hodiany izy ireny raha mandeha mivoaka irery. Na ny vady aman-janany aza mety tsy ho fantany ao anaty fo­toana mandalo na mety maharitra. Miteraka fahasahiranana ho an’ny ankohonana, araka izany, ny fiovana misy.

Tatiana A

Partager sur: