Nanamarika ny faha-43 taona nijoroany teny Ivato, ny talata teo, ny fivondronamben’ny manana mari-pahaizana ambony indrindra eo anivon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika eto Madagasikara (CPTPM). Haharitra 3 andro ny fanamarihana izay handinihana lohahevitra marolafy.
Vaindohan-draharaha amin’izany ny fanarenana ny fampianarana ambony izay latsaka an-katerena ankehitriny. Hivoaka amin’ny fehin-kevitra farany ny soso-kevitra ka hatolotra ny minisitera mpiahy.
Ny 4 febroary 1980 no niorina ny fikambanana ary miisa 353 ireo mpikambana ao amin’izao fotoana. 76 ireo “maître de conférence” HDR vaovao noraisina nandritra ny lanonana nataony teny Ivato.
Mpikambana feno ao anatiin’ny CPTPM ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Assoumacou Béatrice.
Nanentana ireto mpikambana ny tenany mba hanolo-tanana mavitrika amin’ny fanarenana sy ho fampivondronana ny fampianarana ambony izay anaty faharefoana tanteraka amin’izao fotoana.
Tatiana A