Nidoboka am-ponja ao amin’ny fonjaben’i Fenoarivo Atsinanana, afakomaly ireo jiolahy roa voarohirohy ho tompon’antoka tamina vaky trano ao amin’ny faritry ny Oniverisite. Voasambotry ny polisy tao Anjoba Fenoarivo Atsinanana, ny 26 aogositra lasa teo, ireto jiolahy ireto. Ny 21 aogositra 2023 hariva tamin’ny 7 ora sy 30 mn, niharan’ny vaky trano ny toeram-ponenan’ny mpiasa iray ao amin’ny Oniversiten’i Fenoarivo Atsinanana. Nametraka fitoriana avy hatrany teny amin’ny polisy ny tompon-trano. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Fenoarivo Atsinanana nanao ny fikarohana ka niafara tamin’ny fahatrarana ny jiolahy iray ny 25 aogositra teo. Niaiky ny halatra nataony izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Nohamafisiny tao anaty famotorana fa «ecran plat» iray, «subwoofer» iray ary bateria roa no lasany tamin’io fotoana nanaovany vaky trano io. Voasambotra ny ampitson’io ny namany iray mpiray tsikombakomba aminy. Mbola hita tany aminy koa ny ampahan’ireo entana very. Misy efa lasan’ ireo mpandray ny entana halatra. Eo am-pikarohana azy ireo rahateo ny polisy amin’ izao fotoana izao. Voalazan’ ny polisy fa efa fantapantatra ihany ny toerana misy ireo mpandray ny entana halatra ireo.
J.C