Dahalo dimy lahy rotiky ny balan’ny zandary tao amin’ny tanàna iray anatin’ny distrikan’i Sakaraha, ny talata teo. Nangalatra omby 50 izy ireo. Raikitra ny fanarahan-dia. Vokany, lavo ny dimy lahy ary azo sambo-belona ny namany iray.
Naiditra am-ponja vonjimaika ilay renim-pianakaviana iray nandoro ny zana-badiny tao Sambava, ny talata 29 aogistra teo. Hampijalian’io ramatoa io matetika ilay zaza 13 taona. Nanamarina ny tranga ny mpitandro filaminana ka mbola feno ratra ny vatan’ny zaza lasibatra.
Mpangarom-paosy telo mianadahy saron’ny mpitandro filaminana teo am-panaovana ny asa ratsiny tao Ankazobe, afakomaly. Tratra teny amin’izy ireo ny finday nangalariny sy ny volan’ireo mpiantsena lasibatra. Niaiky heloka ary efa mpanao io asa io ireto voasambotra ireto.
Nodimandry ny Kly Andrianjafy Raymond, afakomaly. Anisan’ny nahafantaran’ny maro azy ny fikomiana tao amin’ny FIGN, ny taona 2010. Efa tomponandraikitra ambony teo anivon’ny Zandarimaria koa ny tenany fony fahavelony.