Minisitra Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana : “Tsy mitombina ny fampiantsoan’ ny fitsarana ny filoha Rajoelina”

Tokony hifarana eo ! Nanamafy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana fa tsy mitombina, araka ny efa nanambaran’ny tonia mpampanoa lalàna, ny fampiantsoan’ny fitsarana ny filohan’ny Repoblika.

Nampahatsiahy ny lalàna mifehy ny zom-pirenena malagasy ny minisitry ny Fitsarana, omaly, teny Faravohitra, manoloana ny resabe sy ny vaovao diso niely. Nambarany fa afaka mandeha eny amin’ny fitsarana ny olom-pirenena tsirairay manao fangatahana ilazana na manana na tsia ny zom-pirenena malagasy ny tenany. Ny tonia mpampanoa lalàna koa no afaka manao fangatahana eo anivon’ny fitsarana mitsara ny ady madio ilazana na manana na tsia ny zom-pirenena malagasy ny olona iray. “Samy milaza ireo andinin-dalàna ireo fa tsy maintsy atao ny fampiantsoana amin’ ny alalan’ny vadintany ary aterina any amin’ny minisitry ny Fitsarana ny dika mitovy amin’ ilay fangatahana”, hoy izy.

Nanamafy ny nambaran’ny tonia mpampanoa lalàna

Tsy mifanalavitra amin’izany ary nohamafisiny ny nambaran’ny tonia mpampanoa lalàna fa tsy nampiantso ny filohan’ny Repoblika hiseho eny amin’ny fitsarana ka ilazana na manana na tsia ny zom-pirenena malagasy izy. “Raha fehezina izany, olona roa ihany no afaka manao fangatahana izany na ilay olom-pirenena mahatsiaro ho voakasika ary manatona ny fitsarana manao fangatahana hilaza na manana zom-pirenena malagasy na tsia na ny tonia mpampanoa lalàna”, hoy ihany izy. Nanteriny fa tsy araka ny lalàna raha mivaona amin’ireo. Tsy ireo hanao fangatahana akory dia hanao izany avokoa, araka ny nambarany.

Notsiahiviny koa fa tsy nisy dika mitovy amin’izany fampiantsoana amin’ny alalan’ ny vadintany izany, nalefa any amin’ny minisiteran’ny Fi­tsarana momba ny filazana fa nampiantso ny filohan’ny Repoblika, araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: