Otrikafo momba ny fifidianana : “Anisan’ny tomponandraikitra ny FFKM raha misy krizy”

“Milaza izahay fa anisan’ ny tomponandraikitra koa ny mpitondra fiangonana, raha mampirisika ny olompirenena handeha amin’ny fifidianana hita fa tsy hampilamina”, hoy ny filoha nasionalin’ny Otri­kafo, Rabevahiny Elia, mom­ba ny fampihaonan’ny FFKM. Nisy telo loha nambaran’ny filohan’ny FFKM, teny Man­dria­mena: mpaminany ny fiangonana, mpandrava ary mpanangana. Teo no ho eo dia naneho ny heviny ny antoko.
Raha mpaminany ny fiangonana, tsy hahita ve ny tsy hampilamina ny fifidianana raha hikirizana hatao amin’ izao? Amin’ny maha mpandrava ny fiangonana, afa-mandrava ny zava-tsy mety eto amin’ny firenena izy. Amin’ny maha mpanangana azy, afa-manangana koa iza­ny izy rehefa avy mandrava izay tsy mety.
Raha izay zavatra telo izay no raisina, tomponandraikitra koa ny FFKM raha minia mikimpy na manampin-tsofina amin’ny zava-manahirana amin’ny fanomanana sy fiatrehana ny fifidianana. Nefa mitarika ny firenena ho any amin’ny fifidianana izay efa hita hoe tsy hitondra filami­nana.
Tsy efa nisy hatrany ve ny Andrimaso FFKM hatramin’ izay, tena mba sahy nijoro ve ny Andrimaso manoloana ny zava-tsy mety amin’ny fifidianana? Inona àry no hatao: handamina ny firenena mialoha sa hiroso amin’ny fifidianana hiteraka korontana izay tsy maintsy ho tonga? Aleo sorohina izay korontana izay. Tsy ho zakan’ny firenena intsony raha izao no mbola hisy krizy.

R. Nd.

Partager sur: