Mpampianatra kabary eo anivon’ny Havozomanitra Mikabary i Rado Havozo. Mandia ny faha-10 taona ny nanatontosany izany. Homarihina amin’ny alalan’ny hetsika samihafa io vanim-potoana io, ny 3 septambra izao, eny amin’ny sehatra maitson’Ambohimahitsy. Manomboka amin’ny 1 ora, hiaka-tsehatra ny tarika Diary. Amin’ny 2 ora latsaka fahefany, fanombohan’ny lanonana hafanain’ny tarika Gasikara sy ny mpihira bagasy ao amin’ny Havozo. Arahina dihy sy seho an-tsehatra hafa tahaka ny fitantarana angano hotanterahin-dRakemba, sns.
Raha tsiahivina, tany Anjoma Betoho, disitrikan’i Manjakandriana no nampianatra kabary voalohany i Rado Havozo. Nitohy teny Soamanandrariny izany avy eo. « Nanomboka ny taona 2013, namoaka mpikabary indroa isan-taona aho sy ny Havozo. Olon-tsotra, mpikabary, mpiantsehatra maro, no efa novolavolaina. Ny Havozomanitra Mikabary rahateo efa misandrahaka manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy », hoy i Rado.
HaRy Razafindrakoto