Hiara-hiasa ny Akademia nasionalin’ny fanatanjahantena (ANS) Ampefiloha sy ny Vondrona JCR misehatra amin’ny fitsaboana sy fiarovana avy amin’ny zavamaniry eto Madagasikara mitondra ny anarana Vaniala. Nosafidiana manokana ny ANS satria toerana ahitana ivontoerana fitaizam-batana sy fanaovana fanatanjahantena ary fanabeazana tanora maro, hoy ny tale jeneraly lefitra ao amin’ny vondrona JCR, Rabarioelina Zo. Tsy vitsy rahateo ny mpanao fanatanjahantena manoman-tena ao mialoha ny fifaninanana samihafa ka hanampy azy ireo ny vokatra napetraka ao amin’ny ivontoerana manokana ao amin’ny ANS. Manome endrika ny tanàna ny fisian’ny ivontoerana Vaniala ary hitondra fampandrosoana ny fanatanjahantena ny fifanatonan’ny roa tonta, hoy ny tomponandraikitry ny ANS Ampefiloha.
Natomboka amin’ity taona ity ny fifanarahana fiaraha-miasa. Tsy miteraka tranga hafa (effet secondaire) ny vokatra natoraly satria akora tsy misy fangaro simika no hanamboarana azy ary vokatra eto amintsika avokoa. Manana laboratoara rahateo ny JCR.
Vonjy