Orinasa manana vehivavy mpiasa mihoatran’ny 25 : Tokony hanana toerana fampinonoana, araka ny lalàna

Miara-miasa ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, mampiroborobo ny fahazoan’ny vehivavy mampinono ny zanany any am-piasana. Manohana ny asa ny mpiray ombon’antoka maro.

Efa niakatra 54% ny tahan’ny fampinonoana ny zaza amin’ny nonon-dreny tsy misy fangarony mandritra ny enim-bolana voalohany, eto amintsika, araka ny fanadihadiana, ny taona 2021. Raha 90% ny tanjona napetraky ny OMS, 59% amin’ireo zaza 2 taona no mbola minono amin’ny reniny, ny taona 2021. Tokony ho tohanana ny renim-pianakaviana ho afaka mampinono ny zanany mandritra ny enim-bolana voalohany, azo sorohina ny fahafatesan’ny zaza latsaky ny 2 taona mahatratra 3 000 isan-taona vokatry ny aretim-pivalanana sy ny pnemonia, hoy ny fanazavan’ny talen’ny fahasalaman’ny ankohonana, Vahatriniaina Lovahasina omaly, teny Ankorondrano. Betsaka ny renim-pianakaviana miasa amin’izao fotoana izao ka tokony hanana zo hampinono ny zanany adiny iray isan’andro izy, araka ny lalàna mifehy ny asa, laharana 2003-044, eto amintsika.
Raha mihoatra ny 25 ny isan’ny vehivavy mpiasa ao anatin’ny orinasa iray, tokony hametraka toerana manokana ahafahan’ny vehivavy mampinono ny zanany am-pilaminana ny orinasa. Voakasika avokoa ny sehatra tsy miankina sy ny asam-panjakana rehetra.
Raha latsaky ny 25 kosa ny isan’ny mpiasa vehivavy, manana zo hatrany hampinono adiny iray izy ho an’ny adiny valo iasany.

Midina ifotony ny mpanara-maso ny asa
Efa manana toerana fampinonoana avokoa ny ankamaroan’ny orinasa lehibe eto amintsika. Midina manara-maso ny zava-misy eny amin’ny orinasa ny mpanara-maso ny asa avy amin’ny minisiteran’ny Asa, ka manome fampitandremana amin’ny tokony hanarahana ny lalàna. Manome fe-potoana hametrahana ny fotodrafitrasa izy ireo, hoy ny lehiben’ny sampandraharahan’ny fampivoarana ny fiahiana sosialin’ny mpiasa, Rasamimanana Andry.
Mandritra ny herinandron’ny fampinonoana ny zaza amin’ny nonon-dreny, hanomboka ny alatsinainy izao, misy hetsika fanentanana maro hampiroboroboina ny fahazoan’ny vehivavy miasa mampinono ny zanany, any am-piasana. “Omentsika vahana ny fampinonoan-dreny eny amin’ny sehatry ny asa”, ny lohahevitra ho an’ity taona ity. Raha tratra ny tanjona napetraky ny OMS amin’ny taha 90%, mahatratra 125 tapitrisa dolara ny vola miditra amin’ny kitapombolam-panjakana.

Vonjy A.

Partager sur: