Novonoina ! Nariana tanaty lakandrano teny Andraisoro ny vatana mangatsiakan’i Hery, mpamily taxi. Mangana sy feno ratra ny razana. Mbola teny aminy ny volany.
Tafakatra telo ny mpamily taxi nisy namono teto an-drenivohitra tao anatin’ny telo volana. Hery, ilay hita faty teny Andraisoro, omaly maraina no farany. Nampandre ny mpitandro filaminana sy nanely tamin’ny tambajotran-tserasera ny mponina manodidina ny toerana nahitana ny fiarany nihoson-dra sy ny vatana mangatsiakany tanaty lakandrano.
Mipetraka eny Ivandry ity lasibatra, saingy miasa alina mitondra taxi. Eny Ankorondrano (Lalamby akaikin’ny village des jeux) matetika no ahitana azy.
« Mangana ny lohany sady feno ratra ny vatany », araka ny fanazavana nomen’ny polisy misahana ny heloka bevava tonga nizaha ny razana niaraka tamin’ny dokotera. Nilaza ihany koa ireto farany fa mbola hita teny aminy ny volany. Ny antontan-taratasin’ny fiara kosa no tsy hita intsony, araka ny fampitam-baovao hatrany.
Fizahana
Taorian’ny fitsirihana savaranonando, nentina natao « autopsie » teny amin’ny hopitaly mba hahafantarana ny antony mety nahafaty azy ny razana. Nohamafisin’ny filohan’ny fikambanan’ny mpamily taxi (FTAR), i Clémence Rahariniriana, fa telo izay ny mpamily taxi efa namoy ny ainy tao anatin’ny telo volana izay. Anisan’izany ilay mpamily taxi maty voatifitra nandritra ny fanafihan-jiolahy tao amina tranombarotra iray teny Ankadindratombo, roa volana lasa izay. Mandry andriran’antsy ny mpamily taxi nefa tsy maintsy miasa. « Tsy misy afa-tsy ny fanentanana ireo mpamily no azo atao. Mangataka fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana koa izahay », hoy izy.
Ny valin’ny fanadihadiana ataon’ny polisy, misahana ny heloka bevava, araka izany, no mamaritra ny marina rehetra momba ity raharaha vonoan’olona ity. Namela mananontena iray sy zanaka telo mianadahy ity raim-pianakavina ity.
J.C