Ambohitrimanjaka: Kaporaly sandoka nivaro-basy voasambotra

Kaporaly sandoka ny iray tamin’ny telo voasambotry ny mpitandro filaminana tao Ambohitrimanjaka, ny 29 aogositra teo. Tratra teo am-pivarotana basy PA niaraka amin’ny bala miisa 25. Naharay loharanom-baovao ny zandary momba ny fisian’ireto olon-dratsy ireto. Sarona teo am-pikononkononana hivarotra ny basy miaraka amin’ny bala ireo olona telo. Nohadihadian’ny zandary, nitonona fa kaporaly ny iray tamin’ireo tratra. Natao anefa ny fanamarinana ka fantatra fa nisandoka io lehilahy io. Basy tsy azo tazomin’olon-tsotra fa mila taratasy mazava ity saika hamidy ity. Efa nofafan’ireo mpisandoka andraikitra ireo ny laharan’ny basy. Nosamborina ka natolotra ny fampanoavana taorian’ny famotorana izy telo lahy. Naiditra am-ponja vonjimaika taorian’io. Nogiazana ny basy sy ny bala.

Tsiferana R.

Partager sur: