Tselatra

Mpitondra moto iray maty tsy tra-drano teny Ambohimangakely, omaly tolakandro. Vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza, araka ny filazan’ny nanatri-maso.

Olona iray maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny By -Pass Amoronankona, afakomaly maraina. Fiara iray nisongona no nifatratra tamina kamiaobe iray, rehefa niala fiara 4×4.

Tratran’ny zandary teny Atsimombohitra Imaola, Anjeva Gara, afakomaly, ny lehilahy nanolana vehivavy, ny 21 desambra 2022. Tadidin’ilay lasibatra izy ka noraisim-potsiny.

Torana tampoka teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny sabotsy teo, ny tovovavy iray. Faly loatra  noho ny fandresena azon’ny  Barean’i Madagasikara, izy.

Partager sur: