SOMBIM-BAOVAO

Nanao pao-droa i La Réunion teo amin’ny fandrombahana medaly volamena, taranja handball. Resin’i La Réunion, tamin’ny isa 30 no ho 22 ny Akio, sokajy vehivavy, omaly, teny Vontovorona. Lavon’i La Réunion, 28 no ho 16 koa ny lehilahy. Lasan’ny Ankoay daholo kosa ny volamena teo amin’ny basikety lalaovin’olona dimy.

Ratsy fiafara ny volley-ball, lahy sy vavy, ho an’i Madagasikara. Samy resy teo amin’ny famaranana avokoa izy ireo, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Resin’i Seychelles, tamin’ny seta 3 no ho 2, ny vehivavy ary mbola tamin’io seta io ihany koa no nandavoan’i La Réunion ny lehilahy.

Namotsotra medaly volamena ny atletisma, omaly alahady, teo amin’ny semi-marathon. Ho an’ny vehivavy, lasan’i Garance Blaut, avy any La Réunion, ny volamena. 1 ora 20 mn 27.8%.  Teo amin’ny lehilahy, ilay kaomorianina, i Mohamed Miftahou, no voalohany. 1 ora 7 mn 53.6% no nahatontosany izany. Faharoa, i Fulgence, ary fahatelo i Mampitroatsy.

Nahazo medaly tokana tamin’ny hazakazaka bisikileta, “Cyclisme”, ny Malagasy. Nahazo ny laharana fahatelo tamin’ny “course à la ligne” i Dino Mohamed Houlder, ny sabotsy lasa teo, teny By-pass. Araka izany, medaly alimo iray ihany no azon’i Madagasikara teo amin’ity taranja ity.

Partager sur: